11 aogositra — Teraka tamin’ny 16 jolay 1194 tao Assise i Claire. Zanak’olona manam-boninahitra sy manan-katao fanta-daza tao an-tanana izy. Voaroaka tao an-tanana izy ireo tamin’ny taona 1198 ka nialokaloka tany amin’ny tranon’ny ray aman-dreniny ihany.
10 aogositra — Teraka tao Huesca tao Espagne ny taona 210 i Laurent. Orence no anaran-drainy ary i Patience no reniny, mba hafahany mandalina sy mampitombo ny fahalalany momba ny fombam-pivavahana dia nalefa nandranto fianarana tany Saragosse izy ary tany no nahafantarany an’i Sixte II talohan’ny naha papa azy.
09 aogositra — Teraka tao Breslau tao Allemagne ny 12 oktobra 1891 i Masimbavy Thérèse Bénédicte de la Croix. Edith Stein moa no tena anarany ary jody ny ray aman-dreniny.
08 aogositra — Dominique de Guzman dia teraka tao Caleruega diosezin’i Osma tao Espagne tamin’ny taona 1170. Tao amin’ny sekoly Palancia izy no nandranto ny fianarana ny teôlôjia sy ny filôzôfia, ny taona 1196 izy niaraka tamin’ny dadatoany ary nikatroka tao amin’ny katedraly tao Osma ka niara-niaina tao izy ireo.
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco