04 jolay — Teraka tamin’ny taona 1271 tao Espagne i Elisabeth. Zanak’i Pierre III, mpanjakan’i Aragon, sy Constance II avy any Sicile i Elisabeth na i Isabelle, fa ny dadabeany Jacques I kosa no nanabe azy. Zaza kely mahafatifaty i Elisabeth indrindra tamin’ny fitiavam-bavaka nitaizan’ity raibeny ity azy.
03 jolay — I Thomas ilay resahana eto dia ilay apôstôly tsy teo tamin’ny fisehoan’i Jesoa voalohany tamin’ny mpianany tao aorian’ny nitsanganany ho velona. Izy ilay nilaza fa tsy mino ny fitsanganan’ny Tompo raha tsy mametraka ny tanany amin’ireo loaky ny fantsika eo amin’i Jesoa.
02 jolay — I Martinien sy i Procès dia martiry romanina tamin’ny taonjato voalohany. Nalevina tao amin’ny fasana Damase tao amin’ny via Aurelia izy ireo. Araka ny lovan-tsofina dia izy ireo no mpiandry fonja nampijaly an'i Pierre sy i Paul tao am-ponja tao Tullianum.
01 jolay — Teraka tao Homécourt tao Marnes i Masindahy Thierry, ary maty tao Reims ny taona 533. Zanaka tompomenakely sady jiolahy mpandroba an-dalambe antsoina hoe Marcard izy. Tamin’ny andro nanaovana ny mariaziny no nahatsapany ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba hiroso amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco