10 septambra — Teraka tao Avrenche i Aubert zanak’olona fanta-daza tao izy io. Rehefa nozarainy tamin’ny mahantra sy ny relijiozy ny lovany dia nandray ny sakramentan’ny filaharana izy ary voafidy ho eveka faha-12 fantatra anarana tao Avranches.

09 septambra — Teraka ny 26 jiona 1580 tao Verdú akaikin’i Alarida Espagne i Pierre Claver ary nodimandry ny 08 septambra 1654 tao Carthagène des Indes, Colombie. Marani-tsaina i Pierre Claver, nanao ny fianarany tao amin’ny zezoita izy talohan’ny faharoapolo taonany izay fotoana nidirany ny noviciat an’io fiakambanana io ihany tao Tarragone ny taona 1602.

08 septambra — Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin’ny bazilika ao amin’io toerana nahatrerahan’i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin’i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan’i Maria Virjiny.

07 septambra — Teraka tao Autun tao France i Reine. Teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany izy no no nibebaka ho kristianina izany hoe tamin’ny taona 252. Niandry ondry teo amin’ny tendrombohitr’i Auxois izy no saika ho viravirain’ny governora romanina tao Gaule, Olibrius na Olimbrius, nefa nanohitra i Reine ary nandà ny fanambadiana mba tsy hanimbazimban’io ny finoany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...