14 septambra — Tsaroatsika tsara fa tamin’ny 18 aogositra i Masimbavy Hélène, ilay renin’ny amperora Constantin no nahita ny hazo nifantsiahan’i Jesoa. Tamin’ny taona 335 dia nasain’i amperora Constantin ireo pretra nivory tao Tyr tamin’ny fitokanana ny bazilika roa tao Jerosalema ny 13 septambra, ho fankalazana ny faha-30 toana ny nahatongavany.

13 septambra — Teraka tao Antioche i Jean Chrysotome, Jean moa no fiantsoana azy. Mpianatr’i Mélèce tao Antioche izy ary io no nanao batemy azy teo amin’ny faha-24 taonany araka ny fomba tamin’izany fotoana izany. Avy eo izy nobezazin’ni Diodore tao Tarse, mpanorina sekoly tao Antioche io Diodore io. Io ihany koa no nanome azy ny fitiavana ny fikarohana ny tantara eo amin’ny fandalinana ny Soratra Masina.

12 septambra — Ny fankalazana ny fetin’ny anara-masin’i Maria Virjiny dia avy any amin’ny tanana iray tao Espagne, Nouvelle Castille. Tany amin’ny taona 1513 tany no nipoiran’izy io voalohany. Nofoanan’ny papa Pie V izy io tamin’ny taona 1570 ary naverin’ny papa Sixte V ka nataony ny 17 septambra ny fankalazana.

11 septambra — Zafikelin’i Romaric i Adelphe, niaina tamin’ny taonjato fahafito izy. Voatendry ho lehiben’ny trano tao Saint-Mont rehefa maty Habendi Castrum tamin’ny 03 desambra 653. Nandritra ny fito ambin’ny folo taona no nanaovany izany andraikitra izany. Naniry mafy ny hitokana any Luxeuil i Adelphe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...