15 aogositra — Ny Assomption dia fanamarihana ny nanalana na ny nanesorana an’i Masina Maria tety an-tany ho any an-danitra, vatana sy fanahy. Nanomboka tamin’ny kônsily tao Ephèse tamin’ny taona 431 izay nanambarana an’i Masina Maria ho renin’Andriamanitra ny fankalazana.

14 aogositra — Teraka ny 07 janoary 1894 tao Zduńska Wola i Maximilien Marie Kolbe. Raymond Kolbe no anarany fa taty aoriana vao lasa Maximilien Marie Kolbe.

13 aogositra — Samy martiry tamin’ny taonjato fahatelo na i Pontien na i Hippolyte. Tamin’ny fanenjehana kristianina tamin’ny andron’ny amperora Maximin dia nalefa nanao asa anterivozona tany Sardaigne ny papa Pontien ary tena nampijaliana mihitsy mandram-pahafatiny.

12 aogositra — Teraka ny 23 janoary 1572 tao Dijon i Jeanne Françoise. Filohan’ny parlemanta tao Bourgogne ny rainy. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no maty ny reniny, ka i Bénigne Frémyot, rainy no nanabe azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...