27 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
Raha tsy manana fandinika pôetika ny olona iray dia mandringa ny fanahiny ; rehefa tsy ampy ny rindram-bavaka kanto dia mandringa ny fanahy, izany hoe lasa vavaka tsy tonga lafatra fa vavaka hafahafa. Rehefa mivavaka dia tena ilaina ny maneho ohatra tsara amin'ireo zava-dehibe teo amin'ny fiainana nataon'Andriamanitra. Zava-dehibe ny rindram-bavaka : mba hahatsapana ny fahalebiazan'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
26 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)
Ny singa mampiavaka an'i Davida dia ny fananany " fanahin'ny Pôeta", izany hoe olona afaka mampiventso ny olombelona, manome feo hafa azy, afaka manova ny ao anatin'ny fo lalina sy ny saina ho lasa zava-kanto sy kalokalo. Fehiny dia olona mahay manova ny tontolon'ny olona ny Pôeta. Rehefa mivavaka dia mila manana fanahin'ny Pôeta, izany hoe mahatsapa sy mandray am-po ny vavaka, zava-kanto avy ao am-po... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco