20 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
I Môizy dia notendrena ho mpanelanelana, izany hoe mpitondra ny hetahetan'ny olona eo amin'Andriamanitra sy mpitondra ny tenin'Andriamanitra amin'ny vahoaka, fa niombona hatrany tamin'ireo vahoaka ireo izy, indrindra tamin'ireo fakam-panahy sy fahotana ; sady olon'Andriamanitra noho izany i Môizy no mbola akaiky ny vahoaka ihany koa, vokatr'izany dia mangoraka sy mamindra fo amin'izy ireo izy... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
19 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)
Ny teny mivoaka ny vavan'i Môizy matetika amin'ny vavaka ataony dia ny hoe "nahoana, nahoana no izaho no irahanao, nahoana no te hamoaka io vahoaka io ianao. Misy andalana manome tsiny an'i Môizy mihitsy noho ny tsy fahampian'ny fitokisany an'Andriamanitra, izany hoe ny fisalasalana tao aminy. Raha tojo fangatsiaha-po na fisalasalana isika indraindray dia tsy tokony hanary toky... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco