25 jolay — I Jakôba na Jacques Zokiny dia zanak’i Zebede sy i Salome, rahalahin’i Joany evanjelista. Nantsoina hoe zokiny izy mba hanavahana azy amin’ilay apôstôly mitovy anarana aminy. Eveka tao Jerosalema izy. Avy any Galilea i Jacques ary zokin’i Jesoa roa ambin’ny folo taona.

24 jolay — I Masindahy Charbel na Youssef Antun Makhlouf dia teraka ny tamin’ny 08 mey 1828 tao Bekaa Kafra tao Liban avaratra. Mpitoka-monina maronite izy io, libanais izany. Nobeazina tao amin’ny fitiava-bavaka, ary izay no nahatonga azy hirona amin’ny fiainam-bavaka ihany koa.

23 jolay — Teraka tao Finsta tamin’ny taona 1303 i Masimbavy Brigitte akaikin’i Uppland moa no misy an’izany toerana izany. Zanaky ny governora ao amin’ny faritr’i Uppland izy. Teo amin’ny faha-14 taonany izy no nanambady an’i Ulf Gudmarson, andriana izy io, izay niterahany valo mianadahy.

22 jolay — Niaina tamin’ny taonjato voalohany i Marie Madeleine rahavavin’i Marthe, anabavin’i Lazare izy. Nanan-katao tokoa ny ray aman-dreniny ary nandova trano be tao Magdala tao Galilée izy ireo. Izany no nahatonga ny anaram-bositr’i Marie hoe Madeleine izany hoe avy ao Magdala.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...