Ny mampiavaka ny olomasina dia tsy manameloka na manilika fa mitondra eo amin'Andriamanitra ny vavaka hasoa ireo olona miandrahandra famonjena sy mangataka fifonana. Tamin'ny tantaran'i Môizy dia miseho tahaka ny endrik'i Jesoa mivavaka sy mangataka izy. Mampianatra antsika i Môizy mba hivavaka amin-kafanam-po tahaka an'i Jesoa ho an'izao tontolo izao, hahatsiaro fa na eo aza ny fahadalana dia eo i Tompo... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Alahady faha-16 mandavantaona - B : Andian'ondry eo an-tanan'Andriamanitra isika ; ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ankehitriny, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no nahatonga antsika rehetra ho iray. Mazava ny teni'ny Tompo : Hangoniko ny sisa amin’ny ondriko ary hanangana mpiandry hiandry azy Aho. Arak'io voalaza io dia mila loza ny mpiandry manary sy manahaka ny ondry. Adidin'ny Fiangonana no mampanjary ireo voalaza ireo...
21 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Ny mampiavaka ny vavak'i Môizy dia vavaka ho an'ny vahoaka ary ny finoany an'Andriamanitra dia vao maika mampiombona azy misimisy kokoa amin'ireo vahoaka nankinina taminy. Ny Soratra Masina dia mampiseho azy matetika toy ny tanana misandratra any amin'Andriamanitra, toy ny manome ny tenany ho fampitohizana ny lanitra sy ny tany. Nivavaka ho an'ny vahoaka hatrany i Môizy... Katesizy momba an'i Môizy, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco