17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.
Fito taona no nampianarany ny teôlôjia tao Louvain, avy eo izy nandritra ny roa ambin’ny folo taona dia nandray ny andraikitra ao hoe Controverses tao amin’ny kolejy romanina, avy eo nalefan’ny papa Sixte V tany France tao Paris ny taona 1589. Maro ireo voamiera niasany tao amin’ny Fiketrahana Masina. Tamin’ny vanim-potoanan’i papa Sixte V ohatra dia anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fandikana amin’ny teny latinina ny Baiboly izy. Tamin’ny andron’i Gregoire XIV sy i Clément VIII dia teo ny fanoratana ny teny mialohan’ny fanontana ny ny taona 1592 an’ilay Baiboly antsoina hoe Bible Sixto Clémentine. Mpitantana am-panahy ny andraikitra nosahaniny ny taona 1588 hatramin’ny 1592, avy eo izy tao amin’ny kolejy romanina, recteur ny taona 1592 hatramin’ny 1594. Voatendry ho lehiben’ny Fikambanan’i Jesoa tao Naples izy ny taona 1594.
Nantsoin’i papa Clément VIII indray izy ho teôlôjianina manokana ka notendreny ho consulteur tao amin’ny Saint Office, ary avy eo nitantana ny Pénitencerie. Nomena ny laharana maha kardinaly izy ny volana marsa 1599. Ary notendrena ho arseveka tao Capoue ny taona 1602. Nandray anjara tamin’ny fifidianana ny papa Léon XI ny taona 1605 izy, teo ihany koa tamin’ny fifidianana an’i papa Paul V, ka ny papa Paul V no nanendry azy ho Préfet de la Congrégation des Rites. Ny volana aogositra 1621 dia nihataka tany amin’ny Saint-André tao Quirinal izy, ary tany izy no nodimandry ny 17 septambra 1621. Nambaran’i papa Benoit XV fa mendrika hajaina izy ny taona 1918, ary nasasandratra ho olotsambatra ny tana 1923. Ny papa Pie XI kosa no nanambara azy ho olomasina ny taona 1930, herintaona tao aorian’io moa izany hoe ny septambra 1931 no nambara am-pahibemaso fa mpampiantry ny Fiangonana i Masindahy Robert Bellarmin.
Nanoratra boky maro i Robert Bellarmin, anisan’izany ohatra ny hoe “Controverse” navoakany tamin’ny taona 1586- 1593, teo ihany ny ho “Traité sur la translation de l’empire Romain des Grecs aux Francs puis au Germains” ny taona 1584, teo ihany koa ilay hoe “Le jugement du livre lutherien de la concorde” ny taona 1589. Nanoratra ihany koa izy momba ny hoe “Réfutation d’un libel sur le culte des saints” tamin’ny taona 1596. Momba ny katesizy dia anisan’ny namoaka boky ihany koa izy ny taona 1557 ny hoe “Le grand catéchisme et le petit catéchisme”. Ny taona 1609 dia nanoratra ilay boky ihany koa izy hoe “Les indulgences et le Jubilé”.