04 ôktôbra — Teraka ny 1181 i François, zanaka mpivarotra, mpanan-karena tao Ombrie izy. Vao teraka izy dia nataon'ny reniny batemy ka nomeny ny anarana hoe Jean fa rehefa tonga avy any France ny rainy dia nanome azy ny anarana hoe François.

Nanara-po tamin'ny fiainana i François tamin'ny fahatanorany, ary niaraka tamin'ireo namany izy. Tamin'izany dia ny fitakiana ny amin'ny fiandrianana no tena nalaza ka nandray anjara tamin'izany ady izany koa i François tao Assise. Rahefa resy izy ireo ny nôvambra 1202 dia nahiditra am-ponja izy ka narary tany, ary rehefa nivoaka dia tsy maintsy nitsabo tena. Na dia izany aza, mbola tsy afaka atao an-tsainy ny hoe hitovy laharana amin'ny andriana, manana tafika sy miaramila. Raha izy ho any amin'ny antoko tafiky Gauthier de Brienne iny, dia nanonofy izy tao Spolète, nofy izay nilaza taminy mba tsy hihevitra io fikasana io intsony. Niverina tany Assise izy, ary nihataka tsikelikely tamin'ireo tanora mpiara-nikorana taminy ary namangy matetika ny chapelle tao Val di Spoleto.

Ny taona 1205, telo amby roapolo taona izy tamin'izay, no nivavaka nanoloana ny hazofijaliana tao amin'ny chapelle San Damiano. Naheno feo izy, niangavy azy mba hanarina ny fiangonana rava. Nankany Foligno izy, namidiny ireo entan-drainy mba ahazoany vola hanamboarana ilay fiangonana, maro koa ny vola laniny tamin'ny fanampiana ny olona. Tsy nanaiky ny rainy ka nitaky ny hamerenany ny vola. Rehefa nantsoina teo anoloan'ny fitsarana izy ny taona 1206, tao Assise, dia nomeny avokoa ny ambim-bola tany aminy, ary ny akanjo rehetra teny an-kodiny dia nesoriny avokoa ka niboridana tanteraka izy, ary hoy izy tamin'ny rainy sy ireo olona nanatrika hoe : "Hatreto no iantsoako anao ho ray eto an-tany. Izao aho, afaka miantso hoe Rainay any an-danitra, satria Izy irery no nametrahako ny hareko sy ny finoako". Notafian'ny evekan'i Assise lamba i François, ary noraisiny ho teo ambany fiahiany. Nanomboka teo no niainany ny fahantrana mandram-pahafatiny.

Roapolo taona katroka no nitoriany ny Vaovao Mahafaly manerana an'i Italie, ary namory olona maro izy hanara-dia azy teo amin'ny fianarana an'i Jesoa Kristy. Izy no nanorina ny fikambanana Frères Mineurs, miaina amin'ny vavaka, ny fahantrana, ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fanajana ny zava-boahary. Ny fiainana ny Vaovao Mahafaly no nahatonga an'i François hitia ny zava-boahary. Novainy ny fiainany, nilatsa-tena hahantra izy. Nimasoany hatrany ny hitondra ny hafatry ny hafaliana sy ny fanantenana ary ny fitiavana ao amin'ny Soratra Masina, nitory ny fiadanana ho an'ny olona rehetra, indrindra fa ny zava-boahary ihany koa. Maro ireo fikambanana niorina nanara-dia azy, teo ny Capucins, ny Conventuels, ny Clarisses sy ny Fraternité Séculière.

Marihana fa i François dia nitondra ny fery dimin'i Kristy, ary izy dia nino lalina mihitsy fa amin'ny zava-boahary rehetra Andriamanitra Mpahary sy Mpanavotra, ka nahatonga azy hisaotra an'Andriamanitra amin'ilay hira fanta-daza hoe "Antsan'ny zava-boahary". Ny 03 ôktôbra 1226 izy no nodimandry tao amin'ny chapelle Portioncule. Ny papa Grégoire IX no nanandratra azy ho oloamasina ny taona 1228, ary tamin'ny 29 nôvambra 1979, ny papa Joany Pauly II no nanambara fa mpiaro ireo rehetra mikirakira sy mikarakara ny tontolo iainana izy tamin'ilay taratasy apôstôlika hoe "Inter sanctos praeclarosque viros".

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...