31 aogositra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)
Misy zava-miafina izay tsy takatry ny saintsika amin'ny fiainan'i Jesoa hoy ny Papa fa maneho ny maha-Izy azy manontolo azy. Ny vavak'i Jesoa dia mifono mistery lalina izay tsy voavinavinantsika. Mila an'i Jesoa ny olona rehetra, indrindra ireo mila fanasitranana na ara-batana na ara-panahy. I Jesoa dia miaraka mivavaka amintsika ary mitondra ny vavaka ataontsika any amin'ny Rainy, hazoantsika fahasoavana. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
30 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
Olon'ny vavaka i Jesoa Kristy ary miantso antsika hivavaka matetika. Nivavaka foana izy na inona na inona niseho teo amin'ny fiainany : fanenjehana, fankahalana, ny fanendrikendrehana, ny fanaratsiana, ny fanamelohana ho faty sns... Amin'ny andro sarotra lalovantsika eo amin'ny fiainana izay mahatonga fahadisoam-panantenana dia aoka isika hivavaka toa an'i Jesoa hoy Papa François. Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco