08 desambra — Teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana dia efa talohan'ny Kônsily tany Nicée ireo Mpampianatry ny Fiangonana no nanaja an'i Masina Maria, ary niantso azy hoe Virjiny Masina sy hoe Eva Vaovao.

Raha teo amin'ny Fiangonana Tatsinanana no resahana dia tany amin'ny tapany voalohan'ny taonjato fahavalo, tokony ho tamin'ny taona 750 tany ho any, no nankalazaina ny 08 desambra ny hoe : "Masina Maria notorontorinina", izany hoe sivy volana taloha'ny 08 septambra izay ankalazana ny nahaterahany. Ny taty amin'ny Fiangonana Tandrefana kosa dia nivoatra tsikelikely ka ny trano fitokana-monina anglisy, ny Fiangonana tao Lyon ary ny fikambanana fransiskana no nanamora ny fidiran'io fankalazana io teo amin'ny Fiangonana Tandrefana. Tany Angleterre ohatra, dia i Masindahy Anselme sy ny mpianany no nanentana izany fankalazana izany, ary ny bokin-damesa tamin'ny taonjato faha iraika ambin'ny folo no nahitana voalohany ny fankalazana ity fety ity. Nanampy ny fanajan'ny olona an'i Masina Maria tsy voakasi-pahotana tamin'ny fototra ihany koa ny tantara nilaza fa nisy pretra iray nantsoina hoe Abbé Helsing, mpitoka-monina tao Winchester, handeha hiverina any Danemark izy io. Tratran'ny rivodoza ny sambo nandehanany ka i Masina Maria no nanavotra azy tamin'izay. Tamin'io fotoana io no nilazany tamin'ity pretra ity, mba hankalaza ny ny fetin'i Masina Maria notorontorinina isaky ny 08 desambra. Ny taonjato faharoa ambin'ny folo dia efa niparitaka io fety tao Angleterre io, ka nanomboka tao Normandie, nihazo an'i France. Ny tao amin'ny Fiangonana tao Lyon dia nanomboka ny taona 1130 hatramin'ny 1140. Fiangonana voalohany tao Gaule io. Nisy ihany ny tsy fitovian-kevitra tamin'izany momba ity hoe Masina Maria notorontorinina tsy azon-keloka ity. Ny tany Italie indray dia nanao chapitre mihitsy ny fikambanana franciscain, teo ambany fitantanan'i Masindahy Bonaventure, ka nanapaka fa tsy maintsy ankalazaina io fety io ao amin'ny fikambanana.

Ny papa Sixte IV dia nanome alalana ny hanaovana Sorona Masina amin'ny 08 desambra, hankalazana an'i Masina Maria tsy azon-keloka, ary ny fanompoam-pivavahana, vavaka manokana nosoratan'i Léonard de Nogarolle no nampiasaina tamin'izany araka ny bulle mitondra ny lohateny hoe "Grave nimis". Tsy nanery ny olona hino ity papa ity, fa niaro kosa izany finoana izany. Nifandimby teo ireo papa, nisy ny namafa izany fankalazana izany, ohatra ny papa Pie V tamin'ny taona 1570 ; tao koa anefa ireo namerina izany, ohatra ny papa Clément VIII. Ny papa Pie IX no namaritra ny foto-pinoana momba an'i Masina Maria notorontorinina tsy azon-keloka ny taona 1854. Nampivory teôlôjianina roapolo izy tamin'izany, ny 01 jona 1848, niaraka tamin'ny karinaly valo, mpitan-tsoratra iray ary consulteurs dimy. Nisy ny ansiklika "Ubi primum", nandraisana ny hevitry ny eveka rehetra tamin'ny 02 febroary 1849, ka eveka 564 amin'ny 603 no nanaiky. Teôlôjianina no nasainy namolavola ny bulle ny taona 1851, ary ny 10 mey 1852 no novoriana ny vaomiera manokana mba hanoritsoritra ny lahatsoratra farany. Ny consistoire miafina ny 01 desambra 1854 no nankato ity foto-pinoana ity, ary ny 08 desambra 1854 no navoaka ny horonan-taratasy "Ineffabilis Deus".

Io foto-pinoana io dia mamaritra, araka ny voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny Jenezy 3, 9 sy ny taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny Efezianina 1, 3-6. 11-12 ary ny Evanjelin'i Masindahy Lioka 1, 26-38. Mamaritra izy io fa ilay Maria Virjiny, mba hiteraka ny Zanak'Andriamanitra dia narovany tamin'ny fahotana tamin'ny fototra hatrany am-bohoka, ary feno ny fahasoavana mahamasina. Ny taona 1863 ny papa Pie IX no namoaka fombam-pivavahana vaovao, manokana, ho an'ity fankalazana ity. Ny fisehoana tao Lourdes dia manamafy io foto-pinoana io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...