24 ôktôbra — I Antoine-Marie Claret dia teraka ny 23 desambra 1807 tao Sallent, diôsezin'i Vic ao Catalogne. Zaza fahadimy amin'ny zaza iraika ambin'ny folo izy. Mpanenona no asan'i Jean Claret, rainy ary i Joséphine no anaran-dreniny.

23 ôktôbra — Teraka tao Naples, tao Aquila, Capistran, ny 24 jona 1386 i Jean. Tompomenakely ny rainy. Mbola kely izy no maty io rainy io ka ny reniny no nanome azy ny fanabeazana fototra. Avy eo nalefa tany Pérouse nandritra ny folo taona izy, nandalina ny lalana sy ny lalan'ny Fiangonana.

22 ôktôbra — Teraka ny 18 mey 1920 tao Wadowice tao Cracovie, Pologne i Karol Józef Wojtyła. Zanaka lahy faharoa an'i Emilia Kaczorowska sy i Karol Wojtyła izy. Ny 20 jolay 1920 no natao batemy i Karol Józef Wojtyła. Teo amin'ny fahasivy taonany izy no nandray ny Kômonio voalohany ary teo amin'ny fahafito ambin'ny folo taonany no nandray ny Fankaherezana.

21 ôktôbra — Misy Céline roa no tsaroana ny 21 ôktôbra. Teo i Masimbavy Céline de Laon, renin'i Masindahy Rémi. Ary eo koa i Masimbavy Céline de Meaux, virjiny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...