18 aogositra — Tokony ho tamin’ny taona 255 i Hélène no teraka tany amin’ny faritan’i Bithynie. Constance Chlore no vadiny, jeneraly romanina izy io izay nampakatra azy ho vadiny ny taona 272, ary tamin’ny taona 275 no nanan’izy ireo an’i Constantin zanany lahy.

17 aogositra — Teraka tao Silésie ny taona 1200 i Masindahy Hyacinthe ary nodimandry tao Cracovie ny 15 aogositra 1257. Nihaona tamin’i Masindahy Dominique tao Roma izy ary tonga mpianany tao amin’ny fikambanana Frères precheurs.

16 aogositra — Mpanjaka voalohany tao Hongrie i Masindahy Étienne, avy amin’ny dinastie Árpád izy, Vajk no tena anarany, zanak’i Géza. Nibebaka niaraka tamin’ny rainy izy teo amin’ny faha-10 taona, izany hoe ny taona 985, ary nandray ny anarana hoe Étienne, na István amin’ny fiteny hongrois, tamin’ny batemy.

15 aogositra — Ny Assomption dia fanamarihana ny nanalana na ny nanesorana an’i Masina Maria tety an-tany ho any an-danitra, vatana sy fanahy. Nanomboka tamin’ny kônsily tao Ephèse tamin’ny taona 431 izay nanambarana an’i Masina Maria ho renin’Andriamanitra ny fankalazana.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...