28 ôktôbra — Ankalazaina miaraka ny fetin'ireto Apôstôly ireto noho izy ireo niara-niasa tamin'ny fampibebahana ireo jentily. Avy any Canaan i Simon ary nomena anaram-bositra hoe "cananéen" mba hanavahana azy amin'i Simon Pierre. I Jude indray dia rahalahin'i Jacques sy i Siméon, ilay eveka tao Jerosalema.

27 ôktôbra — Vehivavy masina niditra ho relijiozy tao amin'ny fikambanana Cistercien tao Boulancourt tao amin'ny diôsezin'i Troyes tany Champagne i Émeline. Tany amin'ny taonjato faharoa ambin'ny folo tany izy no niaina. Io trano fitokana-monina io dia fanta-daza tokoa tamin'izany fotoana izany.

26 ôktôbra — Avy any antioche i Evariste, ary jody ny rainy. Tsy dia fantatra loatra ny fotoana nibebahany ho kristianina, sy ny hoe ahoana no nahatongavany tao Roma. Ny fantatra dia hoe pretra izy, ary nanohana ny mpino krisitianina tamin'ny oha-piainana sy ny fitiava-namana ary torolalana samihafa.

25 ôktôbra — Teraka tao Egypte i Chrysanthe. Sénateur romanina nantsoina hoe Polémius ny rainy, tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Numérien. Mbola kely i Chrysanthe dia efa niaraka tamin'ny rainy nitety an'i Roma tamin'izany asany izany ; ary tamin'izany no efa nahitan'ny olona ny faharanitan-tsain'i Chrysanthe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...