Fiainana voalohany ny fahariana satria vao noharin'Andriamanitra ny zava-manana aina rehetra, anisan'izany isika olombelona, niara-teraka taminy koa ny aina. Hoy ny Boky Fahendrena 1, 13 - 14 : "fa tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra, ary tsy sitrany ny fahaverezan'ny velona. Nohariana ho amin'ny fiainana ny zavatra rehetra" ; 2, 23 "satria noharin'Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin'ny tenany... Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

17 jona 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)

Zava-dehibe ho an'ny tsirairay ny fananana ny hatsaran-toetra sy hatsaram-panahy. Misy ambaratonga 13 ao amin'ny afo fandiovana, araka ny tsy fitandramantsika ny hatsaram-panahy : ny tahotra an'Andriamanitra, fihantrana sy fangorahana, finoana, fanantenana, fanekena, fivalozana, fitiavam-bavaka, fahadiovana, fahamalinanan, heripo amam-panahy, fahononantena, fahalavorariana, fahamarinana. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny tokony handraisantsika an'Andriamanitra dia toy ny namana, eo mandrakariva, tsy manary ary azo antsoina amin'ny fotoana rehetra. Ny zava-dehibe tsara ho fantatra dia ny hoe : ankoatra ireo fangatahana ataontsika, rehefa manao ilay "Rainay any an-danitra" isika, dia afaka mangataka, afaka manazava, afaka mitantara amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra, na dia mahatsiaro tena fa diso aza... Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...