03 desambra — Teraka tao Navarre ny 07 aprily 1506 i François Xavier. Francisco de Jasso y Azpilicueta no anarany. Nanana lapa ny rainy Juan de Jasso. Avy amin'ny fianakaviana tao Basse-Navarre izy. Ny reniny kosa, María de Azpilicueta, avy amin'ny fianakaviana tao Baztan.

02 desambra — Teraka tao Rome i Viviane, na i Bibiane ary fanta-daza tamin'ny toe-panahy kristianina sy ny fiandrianana ny fianakaviana. Flavien no rainy, préfet tao Rome izy io, ary nampidirin'i Julien tany am-ponja satria nibebaka ho kristianina. Nalefa sesitany tany Toscane izy ary maty tany.

01 desambra — Teraka tamin'ny 15 septambra 1858 tao Strasbourg i Charles Eugène de Foucauld de Pontbriand. Zaza faharoa tamin'ny nateraky ny ray aman-dreniny izy, saingy vao teraka iray volana ilay zokiny dia efa maty. Élisabeth Beaudet de Morlet sy Édouard de Foucauld de Pontbriand, izay mpisafo ala tao Pontbriand, no ray aman-dreniny.

30 nôvambra — Teraka tao Bethsaïde tao Galilée, amoron'ny farihin'i Tibériade i André. Mpanjono no asany, ary niaraka tamin'ny rahalahiny nantsoina hoe Simon izy tamin'izany. Mpianatr'i Jean-Baptiste izy ireo teo aloha, ary io no heverina fa nanao batemy azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...