06 desambra — Teraka tao Patare, tananan'i Lycie tamin'ny taona 270 i Masindahy Nicolas. Fanta-daza tamin'ny fitiavam-bavaka ny ray aman-dreniny, ary tamin'ny fitalahoana am-bavaka no nahazoan'izy mivady ireo an'i Nicolas, satria tsy niteraka mihitsy izy ireo. Fa rehefa ela no nitalahoany tamin'ny Andriamanitra, dia nankatoaviny ny vavak'izy ireo.

Mbola zazakely i Nicolas dia efa nahagaga ny fihetsiny, satria raha tokony hinono matetika isan'andro izy dia misy andro roa ao anatin'ny herinandro, tsy minono afa-tsy indray mandeha fotsiny izy, ary ny alina ihany. Misy ireo tahirin-kevitra milaza fa zoma sy sabotsy ireo andro ireo, misy kosa milaza fa zoma sy alarobia, fa ny itoviany dia roa andro ao anatin'ny herinandro no isehoan'izany tranga izany. Mbola zaza izy dia efa nondaosin'ny fahafatesana ny ray aman-dreniny noho ny valan'aretina pesta nisy tao an-tanana. Tia mamonjy namana tokoa i Nicolas, ary nomeny ny mahantra ny fanananany. Nankasitra ny toe-panahiny ilay dadatoany eveka ka nanamasina azy ho pretra rehefa ampy taona i Nicolas, ary tanteraka taminy ilay faminaniana hoe : "Izy no ho fanalana alahelo ny ory, mpamonjy ny fanahy mijaly, mpiandry ondry manangona ireo ondry mania ho ao amin'ny valan'i Jesoa Kristy". Nanokana ny tenany manontolo ho an'Andriamanitra izy. Nankany Palestine izy mba hanaja ny Tany masina. Rehefa niverina tany an-tanindrazany izy, dia nanome ho ohatra ny fahamasinana, ary nampiomanin'Andriamanitra mba ho any Myre, faritanin'i Lycie. Vao avy namoy eveka mantsy io diôsezy io, ary nivory daholo ny eveka tao mba hifidy izay handimby ity eveka nodimandry ity. Azon'izy ireo tsindrimandry nandritra izany fivoriana izany fa izay miditra voalohany ao am-piangonana, antsoina hoe Nicolas, no hofidiana ho evekan'ity tanana ity. Dia tanteraka tokoa izany satria dia izay tokoa no zava-nitranga. Nohamasinina ho eveka i Nicolas, ary afa-po tamin'ny toetrany ny rehetra. Hita taratra tamin'ny fiainany mantsy ny fahadiovana, ny fitiavam-bavaka, ny fifadiana, ny fanafahana sy ny fitiava-namana.

Iray amin'ny asany ny fanavotana ny fahamendrehana sy ny hasin'ireo tovovavy telo saika nalefan'ny rainy hivaro-tena satria tsy nanana vola hanomanana ny fanambadian'ireo zanany ireo ity raim-pianakaviana. Nomen'i Nicolas vola izy ireo, ka tamin'ny alina no napetrany tany am-baravarakely ireo kitapo telo fonosana samy hafa, nisy ireo vola hanampiana azy telo mirahavavy, ka afaka nanao ny fanambadiany tamim-pahamendrehana izy ireo, ary faly noho izany ity rainy. Tao aorian'ny fivahinianana masina nataony tany amin'ny Tany masina ihany koa dia nanavotra ireo olona nandeha tamin'ny sambo ihany koa i Nicolas. Rehefa avy nahalala izy fa hisy rivo-doza, dia nilaza tamin'ireo tantsambo. Ka rehefa tonga tokoa ilay toetr'andro ratsy dia i Nicolas no nampitony izany tamin'ny vavaka, ary izany no nahatonga ny tantsambo, nifidy azy ho olomasina mpiaro.

Tsy nitsahatra nanampy ireo mpananontena sy kamboty i Nicolas, nankahery ireo nijaly izy. Iray tamin'izany ireo telo lahy nomelohin'ny amperora Constantin. Na dia teo aza ny fifanalaviran'ny toerana dia niseho tamin'ny amperora i Nicolas, mbola velona izy tamin'izany, nibedy ity amperora ity mba hanafaka ireo olona telo ireo. Nitory ny marina momba ny finoana kristianina i Nicolas tao amin'ity diôsezy niasany ity, nefa dia nasain'i Diocletien sy i Maximien amperora nosamborina izy, ary naiditra am-ponja. Tsy sahin'izy ireo novonoina anefa izy fa natahotra ny vahoaka izy ireo. Ny amperora Constantin no nanome baiko hanafahana azy ka niverina tany Myre izy, ary nandray anjara tamin'ny Kônsily voalohany tao Nicée ny taona 325 niaraka tamin'ireo Aban'ny Kônsily niisa 318, izay nanameloka ny fampianaran-diso arien. Niverina tany amin'ny diôseziny izy avy eo, rehefa vita io kônsily io, ary efa tsapany fa akaiky ny ora hodiany any amin'ny mandrakizay ny 06 desambra 350, dia hoy izy hoe  "Tompo ô ! Eo am-pelatananao no apetrako ny fanahiko". Rehefa nodimandry izy dia nentina nankany Bari, fiangonana bénédictin, ny vatana mangatsiakany, ary nomem-boninahitra sy nohajain'ny olona marobe tao amin'izany fiangonana izany nanomboka tamin'ny taona 1087. Marihana fa ny sary nanehoana sy hamantarana an'i Masindahy Nicolas dia sarin'ny eveka miaraka amin'ny kitapom-bola telo eo ambony boky sy sarin'ankizy telo, miaraka amin'ny vatofantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...