07 desambra — Teraka ny 340 tao Trèves i Ambroise, taona nahafatesan'i Constantin II. Ambrosius no anaran'ny rainy, mpiasam-panjakana izy io, préfet du prétoire des Gaules. Teo amin'ny fahadimy amby roapolo taonany izy no lasa mpiasam-panjakana ambony, toa an-drainy ihany koa, tamin'ny fitantanana ny fanjakan'ny amperora tao Roma.

Araka ny fitantaran'i Paulin de Milan, mpitan-tsoratr'i Ambroise, dia notezaina tao amin'ny prétoire i Ambroise, ary indray andro dia feno andian-tantely ny vatany sy ny tavany, niditra sy nivoaka ny vavany ireo tantely ireo. Avy eo nanidina ireo ka nisavoana ambony dia ambony tsy taka-maso intsony. Hoy ny rain'i Ambroise tamin'izay : "Raha mbola velona io zaza io dia ho zava-dehibe tokoa". Tamin'ny fahazazany, raha nahita ny reniny sy ny anabaviny, nanoroka ny tanan'ny pretra i Ambroise, dia mba natolony ny anabaviny ihany koa ny tanany havanana mba horohana toy ny nataony tamin'ny pretra, nefa nolavin'ilay anabaviny izany ary nolazainy fa zaza tsy mahalala izay lazainy i Ambroise.

Rehefa nahazo ny taratasy avy any Roma, nalefan'ny amperora Valentinien I i Ambroise mba hitantana ny faritanin'i Ligurie sy Émilie dia nanazava izany tany amin'ny fitsarana. Nanohy ny fianarany tany Roma izy ka tonga mpisolovava, ary tamin'ny taona 370 dia nankinin'ny préfet du prétoire tao Illyricum taminy izany fitantanana ny faritanin'i Ligurie sy Émilie izany, marihana fa tany Milan no foibeny. Efa-taona tao aorian'io izy dia nandray anjara tamin'ny fandaminana nandritra ny fifidianana izay ho mpandimby an'i Auxence, eveka nirona tamin'ny fampianarana arien. Nisy mantsy ny fifandirana teo amin'ny katôlika sy ny ariens nandritra izany fifidianana izany. Teo am-pandaminana izany indrindra i Ambroise no nisy ankizy niantso hoe : "Ambroise, eveka". Avy hatrany dia nanaiky ny roa tonta fa i Ambroise no hatao ho eveka. Mbola tsy vita batemy akory anefa i Ambroise tamin'izany. Nanome ny taratasy fankatoavana ny safidin'ny vahoaka tao Milan, ny eveka tao Italie sy ny amperora ka natao batemy i Ambroise ary nohamasinina ho eveka, herinandro tao aorian'izay, ny 07 desambra 374. Niaro ny zon'ny Fiangonana izy nanoloana ireo amperora : Valentinien I, Valentinien II, Théodose le Grand. Ary tamin'izany no nanalany an'i Théodose ho ivelan'ny Fiangonana tamin'io nandripaka ny mpanompo sampy rehefa nambara fa ny fivavahana kristianina no arahan'ny fanjakana.

I Ambroise no namindra ny fandinihana ny Soratra Masina tao amin'ny tontolo latinina, izay efa natombok'i Origène, ary tamin'izany no nampidirana tao amin'ny Fiangonana Tandrefana ny Lectio divina. Namorona hiram-pivavahana misy andininy valo amin'ny andalana efatra fohy izy, ho an'ny Fiangonana Tandrefana, ary nomeny endrika ôfisialy izany. Mbola hiraina amin'ny vavaka isan'andron'ny Fiangonana ny sasany amin'ireo hira noforonin'i Ambroise, ary maro ihany koa ny hira taty aoriana, manaraka izany môdelin'ny hira noforoniny izany. Katesista i Ambroise ary anisan'ireo nahalala ny sangan'asan'ireo Aban'ny Fiangonana grika izy, ary nampiasainy ihany koa izany. Maro ny boky fampianarana nosoratany momba ny sakramenta, ny finoana, ny Fanahy Masina, ary mety ho izany no nahatonga azy ho isan'ireo Aban'ny Fiangonana malaza tandrefana, miaraka amin-dry Masindahy Augustin, Jérôme ary Grégoire I. Nodimandry ny 04 aprily 397 i Ambroise. Samy manaja an'i Ambroise avokoa na ny Fiangonana Ortôdôksa na ny Fiangonana Katôlika Romanina isaky ny 07 desambra, fotoana ahatsiarovana ny nanamasina azy ho eveka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...