♦ Manamafy ny antso efa nataony tamin'ny herinandro amin'ny tokony hisian'ny fakan-kevitra amin'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sosial'i Madagasikara aorian'ny fiatrehana ny valan'aretina Coronavirus eto amin'ny firenena Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianiriana... ♦ Afaka miasa malalaka amin'ny ora rehetra ny mpanao gazety eto amin'ny faritra Analamanga hoy ny Filohan'ny Holafitra...
Katsaho ny maha izay anao dia ny mampiavaka anao amin'ny hafa izany. (13-05-2020)
♦ Mandray an-tanana olona betsaka indrindra mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus amin'ireo hôpitaly lehibe itsaboana ny maray ankehitriny ny hôpitaly any Toamasina... ♦ Ho fantatra anio ny valin'ireo fitiliana natao tamin'ny herinandro ka namoahana tranga 35 sy 32 ny alakamisy teo ka voatery nohamarinina... ♦ Nihaino ireo ministra vitsivitsy tao amin'ny Governemanta omaly tolakandro ny Solombavambahoaka...
Alarobia 13 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco