♦ Namoizana ain'olona iray tany Maroantsetra, raha ny fantatra aloha hatreto, ny rivodoza Eloïse. Tafakatra 2804 kosa ireo olona traboina... ♦ Olona 33 tamin'ireo 44 natao fitiliana no voamarina fa tratran'ny Coronavirus, teny amin'ny tranon'ny mpianatra teny Ankatso...
Zoma 22 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo ; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19
♦ Olona telo amby telopolo no voamarina fa tratran'ny Coronavirus eny amin'ny tranon'ny mpianatra eny Ankatso. Efa nisy tranga hafa koa hita eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, raha ny fanazavan'ny filohany, androany... ♦ Nitondra fanazavana misimisy kokoa momba ilay fe-potoana 48 ora nomen'ny fitondrana ny Jirama ny mpitondra tenin'ny governemanta androany...
Cradec : Mila fiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ny tanora miasa na maniry hisehatra ao anatin'ny tetikasa fampandrosoana, isan'izany ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny tetikasa dia vahaolana amin'ny olana misy amin'ny faritra na fiaraha-monina izay lasa fitaovana. Ny babakoto na ny amboanala dia hita any amin'ny faritra Andapa, Maroantsetra, manampy amin'ny fambolen-kazo. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tany Manantantely faritra Anosy ny fambolen-kazo...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco