♦ Nahitana tranga Coronavirus any Tsiroanomandidy araka ny tatitry ny CCO Covid-19 androany... ♦ Mbola tsy nampidirina ho isan'ny namoy ny ainy noho ny Covid-19 ilay dokotera namoy ny ainy tany Toamasina fa mbola mandeha ny fanadihadiana ny amin'ny tena nahafaty azy marina... ♦ Nisehoana fifampitifirana tamin'ny tolakandro teo tany Mangarano tany Toamasina...
♦ Hanara-maso ny fanampiana hiadiana amin'ny valan'aretina misy ankehitriny miainga avy amin'ny loharano niaviany ny firaisamonim-pirenena mivondrona ao amin'ny OSC eto Madagasikara... ♦ Amperin'asa ao amin'ny distrikan'i Moramanga, hanampy tosika ny mpitsabo, ireo andiana mpitsabo avy amin'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Niato nanomboka androany ny tsena alatsinainy sy alakamisy ao Manjakandriana, hisorohana ny mety ho fiaritahan'ny tsimok'aretina Coronavirus...
♦ Tafakatra 527 ny isan'ny olona voaporofo fa mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nandray fepetra vaovao hanamafisana ny ady atao amin'ny fihanaky ny Coronavirus any Toamasina ny fitondram-panjakana... ♦ Dokotera mpitsabo iray no nondaosin'ny fahafatesana tany Toamasina omaly. Misokatra ny fanadihadiana amin'ny antony nahafaty azy...
Mila manaiky ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny mpanabe hoe tsy fidiny izao zavatra mitranga izao. Mila misaotra an'Andriamanitra ihany koa hoe mbola velon'aina afaka mampita fahalalana amin'ny mpianatra. Tsy tokony hohadinoina fa raha tsy mahay ny ankizy, tsy vahaolana ny sazy ; ary indrindra indrindra mila mahay mandray lesona amin'ny zava-mitranga. Mila mahery, mila manam-pinoana sy fanantenana.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco