Sabotsy 6 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe : “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32

Asaina isika mandritra izao Karemy izao mba hahita ny endrika marin’Andriamanitra Ray. Betsaka tokoa ireo endrika nanehoan’ny besinimaro an’Andriamanitra Ray, tao ny naneho izany tamin’alalan’ny zava-kanto, horonan-tsarimihetsika, laha-dresaka isan-karazany. Andeha anefa hojerentsika ny lazain’ny Evanjely anio, ka ny fomba fijerin’ireo zanaka roalahy no hanombohana an’izany :

Heverin’ilay zanaka faralahy fa ity Andriamanitra Ray ity dia hentitra, masiaka velona, kizitim-belona, mpanao didy jadona, mpanara-maso, saro-piaro amin’ny zanaka, tia tena ka noho izany mahaleo monina ny miaraka aminy. Izany indrindra no nanapahany hevitra hanalavitra azy mba hahafahana migoka araka izay niheverany ny hoe fahafahana : "Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy". Ilay lahimatoa kosa mihevitra fa Mpampiasa azy ity rangahy ity fa tsy rainy akory : "Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho" ; tsy marina ny fitondran-tenan’ity Mpampiasa ity ho azy : "fa nony tonga kosa io zanakao io izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga dia namonoanao zanak’omby matavy izy".

Fa mahalaza ny endrik’Andriamanitra Ray tokoa ve ireo fiheverana roa karazana ireo ? Tsia, fa hafa noho izany Izy rehefa jerena tokoa ny tohin’ny tantara ao anatin’io Evanjely io.

Voalazan’ny Evanjely fa Mpamindra fo Izy ary nasehony tamin’alalan’ny fihetsika aloha izany famindram-pon’izany vao izay tamin’alalan’ny teny : Manan-danja ireo fihetsika nasehony ary manohina ny fo no sady manome fahatokisana an’ilay zanany, nahatsiaro ho voaaron’ny fitiavan-dray izy. Na ireo matoateny ampiasaina amin’izany aza dia manambara ny fitiavan-dray tokoa : "Mbola lavitra kosa izy dia nahatazana azy rainy" ; "ka onena" ; "nidodododo nitsena azy" ; ary namihina ny vozony" ; "nanoroka azy". Fihetsika maneho ny fahorian’olona vokatra ny fisarahana naharitra ela ireo. Raha zohina kosa ireo teny navoakany dia feno fitiavana, tsy ahitana fanamelohana akory ary vonona ny hanadino ireo hadisoana vita : "Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy ; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony ary ento ny zanak’omby matavy ka vonoy". Vonto hafaliana ny teniny ary asainy hiara-paly aminy ihany koa ilay zanaka lahimatoa : "Aoka hihinana sy hifaly isika".

Raha izany àry, no endrik’ity Andriamanitra Ray izay ivavahantsika ity, inona no manakana antsika tsy hiverin-dàlana aminy amin’alalan’ireo ezaky ny Karemy : fivavahana, konfesy, fifadian-kanina, asa fiantrana. Mifalia isika amin’ny fibebahan’ireo nania fa izany no maha-zanany antsika.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...