Talata 12 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin'ny voninahiny.
Niantso ny Kardinaly Odilo SCHERER, arsevekan’i SAO PAULO any Brésil i Papa François, nanehoany ny ahiahiny manoloana ny firongatry ny fifindràn’ny tsimokaretina coronavirus sy ny fahafatesana aterak’izany ao amin’ny arsidiosezy iadidiany.
♦ Nitombo 15 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus raha ny fitiliana vita omaly tontolo... ♦ Mikasika ny fanavaozana ny lisi-pifidianana dia nisy fahasarotana ny fahazoana ireo boky fandraisana fanamarinana sy ny fanangonana ireo tantontam-baovao... ♦ Nampidirina vonjy maika tany amin'ny fonjaben'i Tsiroanomandidy tamin'ny sabotsy teo ny Ben'ny Tanana ny Kaominina Ambanivohitra Ankerana Avaratra...
♦ Mitaky firaisan-kina ny fanarenana ny toekaram-pirenena vokatr'izao valan'aretina Coronavirus izao hoy Andriamatoa Serge Zafimahova... ♦ Hentitra amin'ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus ny ao Moramanga... ♦ Manamafy ny tale jeneralin'ny ATT fa mbola miato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny zotra nasionaly sy rejionaly miainga sy miditra an'Antananarivo, Toamasina voalohany sy faharoa ary Fianarantsoa...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco