Talata 01 desambra 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 21-24 — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

♦ Oram-baratra natoraly no andrandraina hirotsaka manomboka androany fah tsy orana artifisialy, hoy ny teknisianin'ny Météo... ♦ Nahatratra 30 ireo mpiasan'ny KRAOMA naratra tamin'ny sakoroka omaly, hoy ny delegen'ny mpiasa. Nandiso izany anefa ny solombavambahoakan'i Tsaratanana... ♦ Miisa 11.000.000 ireo ankizy latsaky ny 5 taona mitondra faisana vokatry ny tsy fanjariantsakafo sy ny valanaretina...

♦ Fiaraha-miombom-bavaka teny amin'ny Ekar Antanimena no nanokafan'ny FFKM ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Vola metentina 76.000.000 Euro avy amin'ny vondrona Eropeana no hanavaozana ny tambazotra iombonana mitondra ny rano ao Antananarivo renivohitra... ♦ Nanokatra fanadihadiana momba ny nahafatesan'i Diego Maradona ny fitsarana any Argentine...

♦ Fandaharana Demokr'Ankizy : laharam-pahemehan'ny fanjakana ny fiarovana ny ankizy manoloana ny herisetra, entanina ny fitorohana... ♦ Pape François : Ny fifanankaikezana sy ny fahamailona no teny roa nasongadiny tamin'ny fampianarany  ho fanomanana ny fiaviana... ♦ Demokrasia any Thaïlande : olona maro no nitokona tany Bangkok, nitaky ny fanenana ny fahefan'ny mpanjaka...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...