Zoma 21 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 15-19

Fiaraha-misakafo midika ho fiombonam-piainana, ka miombona aina tamin’ireo mpianany i Jesoa, na taloha na taorian’ny fitsanganan-ko velona. Modely ho antsika izany ka tsara arahintsika. Amin’izao androntsika izao tokoa mantsy toa tsy ampy na tsy misy mihitsy aza ho an’ny sasany ny fiaraha-misakafo fa potehin’ny firimorimon’ny fandrosoana ka revo na mialokaloka amin’ny hoe: "maika lava" ka zara raha samy mihinina ny azy, amin’ny ora tsy mitovy akory, nefa iray trano ka tsy atambatry ny latabatra borobory intsony fa samy mikepoky ny azy, toy ny an’ny voalavo. Ho an’ny hafa indray na samy eo an-databatra eo aza dia samy mangina fa variana amin’ny findainy avy ka ny any an-kafa, any ivelany lavitra no ifampiresahana fa tsy izay mifanantrika eo. Tsarovy fa tsy hôtely akory ny io fa tokantrano ka tsara raha miara-misakafo na dia indray mandeha isan’andro fotsiny aza mba tsy ho lefy ny fiombonana aina. Satria izay iray vatsy iray aina. Mitohy mandraka ankehitriny izany fiombonana aina eo amin’i Kristy sy ny mpianany manara-dia Azy izany. Koa tsy hoe miara-misakafo fotsiny Izy amin’izany, fa ny Teniny sy ny Tenany mihitsy no arosony ho sakafontsika amin’ny fankalazana ny Eokaristia na ny Sorona Masina ka aoka ho maimay fo manatrika sy mandray anjara amin’izany.

Raha iverenana ny Evanjely, naka toky sy nanantitrantitra tamin’i Simona Piera amin’ny fitiavany Azy i Jesoa taorian’izany sakafo niarahany tamin’ny mpianany izany ka naveriny intelo ny hoe: "Moa tia Ahy va ianao?" Novalian’i Piera hatrany hoe: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao." Fa ny fahatelo nampiany hoe: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao." Tsara ho marihina eto fa ilay anarana fahazaza nomen-dray aman-dreniny azy no niantsoany an’i Simona Piera teto fa tsy ny anarana nomeny azy hoe Piera. Toa midika izany fa naveriny hatrany am-piandohana ny tantara ka mety adika toy izao ny lazainy hoe: mbola tia ahy toy ny tamin’ny niantsoako anao voalohany ve ianao sa efa niova? Ny antsika olombelona tokoa mantsy ny fitiavana toa afo mololo matetika ka miredareda am-boalohany fa mora levona, maimay am-boalohany fa mora lefy, tsy mahari-pery, ny an’ny sasany aza toa tana ka mora miova loko, toa ketsa ka mora afindra, mahita akanga tsara soratra ka manary ny akohomavon-drazana, ho an’ny hafa tsy toy ny firavaka eny an-tsena na ny lamaody ka atao manaraka toetr’andro na koa toa Corona ka miova miharatsy lasa misy variants betsaka aza ; aoka tsy toy ireny ny fitiavantsika an’i Jesoa Andriamanitra fa aoka ho toy ny fefiloha ka hatevenina hatrany, ho toy ny fahalalana ka arakaraky ny irosoana no mampikaroka, aoka izay notiavina tsy ho soloina na atakalo na amidy mora fa rehefa tiana dia hatramin’ny farany na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Taon-jezika an-kady io ka aina no fetra, ka tsy hoe aina ety an-tany ihany fa aina hatrany an-danitra ihany koa, ny ho velona mandrakizay.

Manaraka izany, ny fitiavana tsy mijanona fotsiny amin’ny hoe: tiako ianao fa mitaky adidy sy andraikitra na ho an’ilay tia na ilay tiana. Ny an’i Piera izao eto hoe: "Fahano ny zanak’ondriko", "Fahano àry ny reniondriko" Milaza fitokisana izany. Ny adidy mantsy tsy an’olon-dratsy, araka ny fiteny ka ezahana tanterahina mandrakariva. Raha tsy haka ohatra afa-tsy amin’ny fiainam-panambadiana isika: ny miteny hoe: tiako ianao, mora ihany, na mora mihitsy fa ny miaina izany toa tolona sy ady mafy isan’andro na isan’ora na isa-minitra mihitsy aza. Firifiry moa ny tokantrano mikorontana vokatry ny fihibohona, misy aza toa efa miala ny "v" amin’ny "vady" ka lasa "ady" lava sisa, mamorona ady tsotra izao, tsy mahay mijery afa-tsy ny lafy ratsiny ao an-trano. Tsarovy koa anefa fa ny vy tsy mikitrana irery. Tsotra ny fanafodiny: aza omena hirika ny demony, mahaiza mifanakalo hevitra sy mifampiresaka fa aza variana amin’ny Facebook, na mialokaloka amin’ny hoe reraka, ka ivereno ny fitiavanareo voalohany, ilay mbola natsiro iny. Aza avela ho lasa mihitsy fa aoka ho ankehitriny foana toana ny an’Andriamanitra. Manoatra noho izany no tsara itiavana an’Andriamanitra. Amin’izay haintsika ny manara-dia an’i Jesoa. Satria rehefa azony antoka ny fitiavantsika Azy dia ataony mandrakariva hoe: "Manaraha Ahy" toa an’i Piera. Tsy eto an-tany ihany fa hatrany an-danitra koa. Ho tanteraka amintsika anie izany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...