♦ Miaina toy ny andavanandro ihany ny Malagasy rehetra amin'ny fifidianana Loholona amin'ny zoma 11 desambra ho avy izao hoy ny CENI... ♦ Nitondra fanazavàna omaly ny ministry ny fanabeazam-pirenena, manoloana ilay resabe momba ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekoly manara-penitra... ♦ Niakatra fitsaràna omaly ny filoha frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, noho ny raharaha kolikoly sy fanararaotam-pahefàna...
Talata 08 desambra 2020 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38 — Arahaba, ry Maria feno hasoavana ; ny Tompo ao aminao ; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.
♦ Naharitra 30minitra ny fotoam-pitsarana an'i Clémence Raharinirina androany, hivoaka ny zoma izao ny didim-pitsarana... ♦ Any amin'ny volana Marsa 2021 vao mety hifarana ny olan'ny kere. Tsy tokony hisy ny fifanenjehana amin'ireo rehetra manao hetsika fanampiana, hoy ny solombavambahoaka Masy Goulamaly... ♦ Fitrandrahana harintany any Chine : mpiasa miisa 23 no maty, sempotry ny entona mahafaty...
♦ Hitondra rijan-tenin-dalàna eny anivon'ny parlemanta ny ministeran'ny kolontsaina sy ny serasera, mba ho lasa lalàna eto Madagasikara ny fanatanterahana ny Tagnamaro... ♦ Azo antenaina ny hanamboarana ny seranam-piaramanidina ao Arivonimamo, rehefa tafapetraka any amin'ity distrika ity ilay tanàna vaovao... ♦ Voasokajy ho volana mafana indrindra eran'izao tontolo izao ny volana novambra lasa teo...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco