Alarobia 26 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 32-45

♦ Fanambin'ny Foloalindahy Malagasy ny hamerina amin'ny laoniny ny filaminana any Midongy-Atsimo, ao anatin'ny fotoana fohy. Any an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Asam-panjakana. Miantso ny malala-tanana hamonjy ireo vahoaka voatafika ny Solombavam-bahoakan'i Midongy-Atsimo... ♦ Mihamidina hatrany ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 45 ireo mitondra izany tamin'ny fitiliana manerana ny nosy omaly...

♦ Voafidy ho filoha lefitry ny antenimieram-pirenena ho an'ny Faritany Toamasina Ramatoa Naharimamy Lucien Irma... ♦ Mbola misy ireo olona afaka mitrandraka vato any Andilana Avaratra na dia efa voarara aza izany nanomboka ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nisy nivarotra ireo fitaovana entina iadiana amin'ny coronavirus avy amin'ny Unicef any amin'ny Dren Atsimo-Atsinanana... 

♦ Manohy ny haza lambo sy ny fanarahan-dia ireo dahalo nanafika tany Midongy-Atsimo, ny mpitandro ny filaminana. Efa araha-maso akaiky ny kizo sy ny tompon'antoka tamin'ny fanafihana, hoy ny solombavam-bahoaka avy any an-toerana... ♦ Niteraka savorovoro ny fanakatonana ny toeram-pitrandrahana any Andilana Avaratra...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...