Alarobia 26 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 32-45

Rentsika tamin’ny Evanjely teo ny fanambaran’i Jesoa ny fijaliany sy ny fahafatesany. Averimberiny matetika amin’ny mpianany izany mba tsy hanampoka azy ireo. Teny an-dalana ho any Jerosalema dia efa nambaran’i Jesoa an’ireo apôstôly roa ambin’ny folo lahy ny tsy maintsy hanjo azy. Gaga noho izany ny mpianany ary natahotra koa. Talohan’io tokoa manko, rehefa nilaza ny fahafoizany ny zavatra rehetra sy nanaraka an’i Jesoa i Piera, dia nampanantena azy ireo i Jesoa fa izay mahafoy ny zavatra rehetra noho ny fitiavana Azy, dia hahazo zato heny amin’ity fiainana ity ary ny fiainana mandrakizay koa amin’ny ho avy. Eto anefa dia tsy nafenin’i Jesoa ny mpianany ny marina fa hohesoina izy, hororàna, hokapohina ary hovonoina aza, fa aorian’izay kosa dia hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo. Izany no lalana tsy maintsy ho lalovany, ary tsy maintsy handalovantsika mino Azy koa. Dia izany no nampiomanany ireo mpianany mialoha mba tsy ho tampoka amin’ny sedra ho tojo azy izy ireo.

Ny zavatra faharoa nambaran’ny Evanjely teo koa dia ny fangatahan’i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede : hipetraka eo an-kavian’i Jesoa ny iray ary eo an-kavanany ny iray. Anisan’ny mpianatra nanara-dia akaiky an’i Jesoa izy roalahy ireto. Ary nahazo tombony manokana mihitsy aza, raha tsy hiteny afa-tsy tamin’ny niovan’ny Tompo tarehy tany an-tendrombohitra, dia isan’ny nentin’i Jesoa niaraka taminy izy roalahy. Hita eto ny fanirian’olombelona, dia ny te hahazo toerana sy fahefana ary voninahitra. Hany ka notarihin’i Jesoa izy roalahy hibanjina ny hazofijaliana tsy maintsy hiaretana. Izany hoe hiatrika ny ankehitriny izay lalana hizorana mankany amin’ny ho avy. Ka ny toerana nomanin’Andriamanitra dia ny eo an-kavia sy an-kavanan’i Jesoa mifantsika eo ambony hazofijaliana. Tsy misy toerana manokana na fahefana, ho an’ny mpianatr’i Jesoa. Ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia tsy hiandrandrana valisoa na karama manokana avy amin’Andriamanitra, fa fanomezana maimaim-poana avy Aminy ny fahasambarana mandrakizay ho an’izay matoky Azy.

Toe-po sy toe-panahy iainana ny maha kristianina, maha mpanara-dia an’i Kristy antsika ity nambarany ato amin’ny Evanjely ity hoe : ho tahaka Azy, tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ny hafa ka tsy hikatsaka izay tombontsoa sy ny metimety amin’ny tenantsika fotsiny, fa miezaka indrindra koa hijery ny manodidina. Ohatra ho antsika i Masindahy Philippe Néri izay tsaroan’ny Fiangonana anio : nisokatra tamin’ny olon-drehetra, hampiroborobo ireo hatsaram-panahin’ny fitiavam-bavaka, fitiava-namana ary fahazotoana amin’ny asa iandraiketana.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...