♦ Misy ireo sekolim-panjakàna no tsy mbola naharay ny caisse-école hampihodinana ny sekoly hatramin'izao, hamenoana ny banga tamin'ny fampianarana ilay zero ariary tamin'ny fampidirana mpianatra. Ny talen-tsekoly sy ny fikambanan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra no mandoa vola am-paosy... ♦ Tsy hisy ny fanaovan'i Papa François Batemy ny zanak'ireo mpiasa ao Vatican amin'ity taona ity, ny alahady 10 janoary ho avy izao izay hankalazan'ny fiangonana ny nanaovana Batemy an'i Jesoa, noho ny fisian'ny Covid-19...
Nony natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe : "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely". Nony nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy : "Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo". Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.
Tamin’izany andro izany, nitory teny i Joany nanao hoe : “Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho. Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”. Ary tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany. Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko”.
Alarobia 6 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosorata'i Masindahy Marka 6, 45-52
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco