Alatsinainy 14 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42

Toy ny Evanjely izay efa nalahatry ny Fiangonana ho antsika tamin'iny herinandro ambony iny, ity nalahatry ny Fiangonana mba hodinihintsika sy nohenointsika teo ity, izay manambara ny fampianaran'i Kristy, mahakasika ny fanatanterahana sy fandavorariana ny lalana izay efa misy eo anivon'ny fiaraha-monina, ary indrindra fampianarana ny mpianany mba ho fanasina sy fahazavana, ka hanao mihoatra noho izay efa voalazan'ny lalana izay. "Raha tsy lehibe noho ny an'ny Mpanora-dalana sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, hoy izy, dia tsy hditra ny fanjakan'ny lanitra akory ianareo" (Mt. 5, 20). Raran'i Kristy sy didiny mihitsy ny mpianany, tsy hamaly ratsy ny ratsy, fa asainy mandefitra sy miaina ny fitiavana, na dia efa voalaza aza fa "ny aina solon'ny aina, ny maso solon'ny maso" izay hita ao amin'ny Eksaody 21, 22-25.

Nohavaozin'i Kristy ny lalana izay mitaky valifaty, fa ny azy dia ny fitiavana no tiany hampanjakaina. Ny fandeferana no fahamarinana ambony indrindra, sy lehibe indrindra. Sanatria, tsy mampianatra antsika hidorororo na hoe ho "Ramasabomanga" akory i Kristy eto, raha milaza io fampianarana io amin'ny mpianany, fa te hanamafy izy fa tsy mety ny mamaly faty ary tsy toetra na fiainana tokony hasehon'ny mpianany akory izany.

Ho antsika kristianina, mpanara-dia an'i Kristy, sy izay rehetra mihaino sy mandinika ity Vaovao Mahafaly ity àry, manafatra antsika i Kristy : alaviro im-pito mandifotra olona eo amin'ny fiainanao ny valifaty, fa tiavo ny namanao. Aza ilaozana mihataka izay te hisambotra sy mila vonjy aminao. Ekena fa sarotra ny manatanteraka izany, indrindra amin'izao andro iainantsika izao, nefa tsy maintsy resena amin'ny fanaovan-tsoa ny ratsy mba ho tena vavolombelon'ny fitiavana isika, ary ho fanasina sy fahazavana mendrika ny fanjakan'ny lanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...