Alakamisy 7 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 14-22a

♦ Mpianatra telo voasambotra, iray naratra, vokatry ny fitokonana sy fidinan'ny mpianatry ny ENS an-dalambe teny Ampefiloha androany... ♦ Olo-tsotra : Mila hamafisina ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana fa tsy ho zaka raha hiverina anaty fihibohana noho ny coronavirus...

♦ Fifidianana tsy naharaisan'ny HCC fitoriana na iray aza ny fifidianana loholona farany teo. Rahampitso no hamoaka ny vokatra ofisialy tamin'iny fifidianana natao ny 11 desambra lasa teo iny ny fitsarana avo... ♦ Tsy maintsy tsaboina eny amin'ny hopitaly izay rehetra voamarina ho mitondra ny tsimok'aretina coronavirus eto amintsika ankehitriny fa tsy azo atao intsony ny fitsabon-tena any an-trano... 

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina, ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra, dia nampianatra azy Izy. Raha nandalo Izy, dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra, ka nanao taminy hoe : "Andeha hanaraka Ahy". Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota maro niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany ; fa maro ireo, ary nanaraka Azy. Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny poblikanina sy ny mpanota ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina dia nilaza tamin’ny mpianany hoe : "Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny poblikanina sy ny mpanota?" Raha nahare izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe : "Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary ; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota".

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...