♦ Nahazo famatsiam-bola 40 000 000 dôlara avy amin'ny  governemanta amerikàna, hanampiana ny lafiny sôsialy, noho ny hain-tany ny faritra atsimon'ny nosy. Olona maherin'ny 720 000 no hisitraka izany... ♦ Ny antoko TIM no tokony ho eo amin'ny toeran'ny lehiben'ny mpanohitra eto Madagasikara, raha ny hevitr'Andriamatoa Clément Jaona... ♦ Mbola hitohy ny hatsiaka aty afovoan-tany, mety arahin'erika mihitsy hatramin'ny faran'ny herinandro. Hihidina hatrany amin'ny 3°C ny mari-pàna ambany indrindra eto Madagasikara... 

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...