Alahady 13 jona 2021 — Alahady faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 26-34
Resaka momba ny fanjakan'ny lanitra no entin'i Kristy amin'ny fampianarany eto, ary amin'ny alalan'ny fanoharana mandrakariva no fomba hampitany izany. Fanoharana miainga amin'ny zava-misy sy azo tsapain-tanana, mba ho tena azon'ny olona sy ho tafalatsaka ao an-tsainy izay lazaina. Lehilahy iray, mamafy voa amin'ny tany, nefa izy matory sy mahatsiaro isan'andro, fa ny voa kosa mitsimoka sy mitombo nefa tsy fantany izay faniriny. Izany dia mpiseho fa fahefan'Andriamanitra no manjaka, ary ny fahaizan'Andriamanitra no mampiitatra ny fanjakany, satria fiainana ao amin'Andriamanitra izany.
Nefa misy ihany kosa ny anjara asan'olombelona, satria ny fanjakan'Andriamanitra tsy amin'ny vato aman-kazo, na amin'ny biby fa ao anatin'ny olombelona tsirairay, izay noariany hitovy endrika aminy. Anjaran'ny olona ny manana faharetana amin'izay ataony, fa Andriamanitra ihany no mampitombo, araka izay voalazan'ny ohabolana malagasy manao hoe : "Asa ankilaila ka an'Andriamanitra ny androatokony". Anjaran'ny olombelona ny mamadi-bainga, fa izy Andriamanitra no manao izay hahatomombana azy. Misy izany, ny fiaraha-miasan'Andriamanitra sy ny olombelona, fa tsy vitan'ny mandeha irery ny mampamokatra sy ny manitatra ny fanjakan'ny lanitra. Koa na tsy takatry ny saina aza ny mampitsimoka sy mampitombo azy, tsy maintsy misy ny fandraisana anjaran'ny olombelona, indrindra fa ny mpino kristianina.
Ny fanoharana momba ny voan-tsinapy indray, dia manambara fa izy Andriamanitra ihany no tompon'ny fahefana sy ny fahaizana, ary manerana ny tany ; fa isika olombena na isika kristianina kosa, dia miandry sy manantena amim-paharetana ary amim-pinoana mafy. Noho izany, ao amin'Andriamanitra, ary izy ihany, no manana ny zava-miafina indrindra ; fa isika kosa dia ny finoana velona sady mafy iainantsika azy, no mampitsimoka sy mampitombo ny fanjakany, ao anatintsika tsirairay avy, araka ny voalazany ao amin'i Masindahy Lioka 17, 6 manao hoe : "Raha manam-pinoana ohatran'ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin'io voaroihazo io hoe miongotaka ka mifindra any amin'ny ranomasina dia hanaiky anareo izy".