Ny fiaraha-monina ankehitriny dia anjakan'ny fitiavantena. Ny mpanana sy ny matanjaka no manana ny fahefana ary zary atao tsinotsinona ny aina. Manoloana izany dia voalika ny mahantra sy ny madinika, etsy ankilany, tsy afaka mijery fotsiny an'izany ny fiangonana, ka manentana ny rehetra hitia ny madinika. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 20 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48

♦ Manao antso avo amin'ny mpitondra mahefa, hijery vahaolana maharitra momba ny tsy fandriam-pahalemana any amin'ny Faritri'i Menabe, ny evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien... ♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andrim-panjakana mpanao lalana. Samy nanome lanja ny asa vitan'ny fahefana mpanatanteraka ny filohany ; niombonana kosa ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro...

♦ Isaky ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra no fanatanterahana ny fanombohana ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny parlemantera eto Madagasikara. Manomboka izao antoandro izao ny eny amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Andro faharoa amin'ny fikaonandoha iraisam-pirenena ho an'ny fitsarana sy ny tontolo iainana, anio, izay karakarain'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakàna malagasy... ♦ Ampahafantarina ireo mpitsara eto Madagasikara ny foto-kevitra sy ny zo fototra mahakasika ny asa, ny aro loza sy fahasalamana eny anivon'ny asa, ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...