Mbola tsy afaka mamaly ny filàna amin'ny tsena anatiny ny vokatra ronono eto amintsika. Antony nanafarana ireo omby vavy be ronono hanampiana ny efa misy eto...

♦ Fanehoan-kevitry ny Filohan'ny Vaomiera Epsikopaly momba ny Fahasalamana, manoloana ilay tolo-dalana ITG haroso eny Tsimbazaza... ♦ Mitohy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy mpanao gazety, manoloana ny fanolorana ny solontena eo anivon'ny CENI vaovao... ♦ Hiverina hisokatra rahampitso ny habakabak'i Madagasikara...

Ny tsara ho fantatra mikasika ny rafitry ny toeram-pitsaboana ialàna amin'ny fivezivezena. Maro ny olona tsy mahafantatra ny rafitry ny toeram-pitsaboana misy eto Madagasikara ka mahatonga ny toeram-pitsaboana sasany hipoka loatra kanefa ny sasany zara raha misy olona. Ilaina ny mahafantatra ny mombamomba ny toeram-pitsaboana tsirairay amin'izay raha misy tena marary avy dia fantatra ny toerana haleha.

Ny fanaovana ny asa fanasoavana dia ilaina lanjalanjaina satria nomen'Andriamanitra ny fahafahana handalina isika. Ny fahamaroan'ny fikambanana dia ahafahana maneho fahasamihafana sy fifamenoana. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...