Zoma 17 desambra 2021 — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17

Ny Evanjely nohenointsika dia manambra amintsika fa i Jesoa Kristy dia tena Andriamanitra ary tena Olombelona marina tokoa. Nanana niadohany Izy. Ary tsy afaka sarahana ny maha zanak’Andriamanitra sy ny maha olombelona azy fa sady Andriamanitra izy no olombelona. Hatrany am-piandohana Izy no "Ilay izay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny teto amin’izao tontolo izao" (Jo 10, 36), notorontoronina ho masina tao an-kibo virjinin’i Maria. Nantsoin’Andriamanitra i Josefa "hampakatra an’i Maria ho vadiny", izay "nitoe-jaza tamin’ny Fanahy Masina" (Mt 1, 20), mba ho i Jesoa "ilay antsoina hoe Kristy" izay hateraky ny vadin’i Josefa, no ilay Mesia taranak’i Davida (Mt 1, 16).

Raha fitinina ity Evanjely dia manampy be dia be antsika hibanjina ilay Andriamanitra tonga niara-monina tamintsika. Araka ny nolazain’i Masindahy Joany hoe : "ary ny teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika, ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka lahitokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana izy."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...