♦ Andrasana rahampitso na amin'ny faran'ny herinandro ny fitsanganan'ny Governemanta vaovao. Mifanohitra ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Filoha tamin'ny fampiatoana ireo Minisitra sy ny fitazonana ny Praiminisitra, hoy ny mpahay lalana Clément Jaona... ♦ Mitaky ny mangarahara amn'ny fitantanana ny volan'ny mpiasa eo anivon'ny CNaPS ny Randrana sendikaly. Nanao hetsika teny Ampefiloha ity vondrona sendika ity androany, manaoloana ireo nampiasana ny volan'io tahiry io amin'ny sehatra samihafa...
♦ Ny FIKITAMA na FIkambanana KIadin'i TAntsaha MAngoro dia fikambanana miaro ny tontolo iainana ary miady amin'ny tsindrihazolena mianjady amin'ny tantsaha. Ity fikambana ity dia niforona tamin'ny taona 2015... ♦ Dauphin : biby mampinono, misy karazany roa dia ireo mivelona an-dranomamy sy ny an-dranomasina. Ny Platanistidés dia misy karazany 3-4 fa ny Delphinidés dia ahitana karazany 30, maneran-tany... ♦ Delta : nahita vahaolana hamahana ny olan'ny tsy fampian-drano noho ny fiatraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro any amin'ny Kaominina Bemanonga distrika Morondava...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamîna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny, mba hanome hanina azy amin’ny fotoany? Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony ka mahita azy manao izany; lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitantana ny fananany rehetra izy. Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe: Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy, ka mikapoka ny mpanompo namany izy sy miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hotapahiny roa izy ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
♦ Nitsahatra omaly ny fe-potoam-piasan'ny ministra mandrafitra ny governemanta, tapitra omaly ihany koa ny telo andro tsy maintsy hitondrana vahaolana manoloana ny fiakaran'ny fidin'ny PPN... ♦ Mila mandinika ny fitondrana vao manapan-kevitra hametraka ny vidin'entana tena izy sy hanara-maso izay eny an-tsena... ♦ Nodimandry omaly ny Colonel Coutiti Assolant, lavon'ny aretina...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco