Alarobia 15 desambra 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 19-23

Henontsika tamin’ny Evanjely teo fa naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Joany ho any amin’i Jesoa mba hanontany hoe "Ianao va no ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika ?" Tsy nanome valinteny am-bava anefa i Jesoa fa nanome valinteny azy ireo tamin’ny alalan’ny asam-pamonjena ny marary sy ny sahirana ary ny azon’ny fanahy ratsy. Ny famonjena ny olona no iraka ampanaovin’ny Ray azy, izy ilay Mesia, ilay Mpamonjy hanavotra ny olombelona.

Rehefa avy nanatanteraka ity asam-pamonjena ny olona ity i Jesoa izay vao nanome valinteny tamin’ireto mpianatra roa lahy izay nirahan’i Joany : "mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra hitanareo sy renareo" : mahiratra jamba, malady ny marenina, torina amin’ny mahantra ny Evanjely.

Fampianarana lehibe no atolotr’i Jesoa antsika indrindra fa amin’izao fotoana Fiaviana izao : asa fa tsy kabary, ny hany nataony dia nanatanteraka ny asa nanirahan’ny Ray azy, nanompo ny mandinika, nanasitrana, nampianatra, nijoro ho vavolombelon’ny iraka nampanaovina azy. Tsy nandany fotoana niady hevitra izy hoe izaho no ilay Mesia andrasana fa nasehoany tamin’ny asa ny maha Mpamonjy andrasan’ny maro azy. Isika kristianina ihany koa, ampy hitorintsika ny tenin’Andriamanitra ny asa soa ataontsika, ny fiainantsika andavanandro, ny modelim-pianantsika isan’ndro dia ampy hamantarana antsika hoe kristianina, indrindra fa amin’izao fotoanan’ny Fiviana izao. Mangataha ny fahasoavan’Andriamanitra mba hitombo ny isan’ny kristianina tia miahy ireo sahirana, mba maro no halala-tanana ho an’ny hafa.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...