♦ Fihaonana an-tampony momba ny sakafo ho an'ny fitomboana : 811 tapitrisa ny olona tratry ny mosary eran-tany, ary maherin'ny 155 tapitrisa ny ankizy tsy mitombo ara-dalana noho ny tsy fanjarian-tsakafo. Mila fandraisana andraikitra hoy ny filoha Malagasy tany Japon, ... ♦ Tsy latsaky ny 20 ny ankizy maty vokatry ny hanoanana any Ambindamahery, kaominina Sahanalo, faritra Anôsy... ♦ Raharaha Apollo 21, mbola Paul Rafanoharana ihany no nohainoan'ny mpitsara omaly, tamin'izy 20 mianadahy voarohirohy, tsy mbola nisy didim-pitsarana nivoaka...
Tonga Zanak'Andriamanitra sy ny Eglizy isika noho ny Batemy ary " Fanahy iray no nanaovana Batemy antsika, mba ho vatana iray isika". Sarobidy ny famolavolana ho amin'ny fandraharahana masina satria lehilahy vita Batemy ihany no azon'ny Eglizy omena ny Sakramentan'ny Fandraharahana masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Natoky tanteraka ny herin'ny fanavotan'Andriamanitra i Md Josefa. Modelin'ny fankatoavana ny finoana sy ny fitiavana ho antsika ao amin'ny Eglizy izy, tamin'ny "eny" nankatoavany ny sitrapon'andriamanitra araka izay nampitain'ny anjely taminy.
Alarobia 8 desambra 2021 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco