Tokony hisongadina ao anatin'ny hafaliana vokatry ny fitiavana ny fiainam-pianakaviana. Antson'Andriamanitra ny fanorenana fianakaviana ary misy iraka sahaniny ho fanasoavana ny fiaraha-monina. Manamasin-tena izy amin'ny alalan'ny fiainana ny sotovanina sy ny fiainam-bavaka. Fadaharana " fibeazana miaina sy mitia".

Tena zava-dehibe ny fahaizan'ny zatovo miara-miasa amin'ireo mpikatrotra ao amin'ny ankohonam-piangonana manomboka amin'ny pretra mpiahy sy izay miaraka aminy ao, ny mpiandraikitra isan'ambaratongany ao amin'ny Filan-kevitry ny pretra. Marihina fa ny fanoloran'ny pretra ihany no ahafahan'ny zatovo iray hanaraka ny fiofanana maha-Mpandraharaha masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Zoma 10 desambra 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19

♦ Nohenoin'ny fitsarana momba ilay raharaha Apollo 21  androany, ilay mpanakanto Sareraka sy ireo Zandary dimy ao anatin'ny GSIS, samy voarohirohy amin'ity raharaha ity... ♦ Tsy nahitana 'doublons" ny antotan-kevitra tao amin'ny CENI, hoy ny filoha vaovaon'ity Vaomieram-pirenena ity androany... ♦ Vita, ary notokanana ny tapany voalohany amin'ny fanitarana ny seranan-tsambon'i Toamasina. Hampidina ny vidin'ny entana ilain'ny Malagasy ny fahavitan'io fotodrafitr'asa io, hoy ny Filoham-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...