Alahady 20 febroary 2022 — Alahady fahafito mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 27-38

Ry kristianiana havana. Fihavaozana lehibe eo amin’ny fomba fiainana no soritan’i Jesoa Kristy ao amin’ny Evanjely. Izany rahateo moa ny hoe Vaovao Mahafaly : hafa mihitsy, tsy toy ny efa mahazatra ary tsara lavitra. Tsy ilaina tokoa manko ny Evanjely sy ny fivavahana kristianina raha ny efa nahazatra sy efa niainan’ny olona teo ihany no ahodinkodina. Fihavaozana voalohany : mandà ny valifaty, tsy mamaly ratsy. Ny lalànan’ny fiarahamonina manko dia miorina amin’ny fifamaliana : maso solon’ny maso, nify solon’ny nify. Tsy izany ny an’i Jesoa fa hoe : tiavo ny fahavalo, soavy izay tsy tia, mivavaha ho an’izay manenjika. Tsy mampanjaka ny tsy maty manota akory Izy amin’izany fa manainga antsika hanapaka ny fipariahan’ny ratsy. Raha mamaly faty ianao dia ianao no nanao ratsy farany. Aoka izay nanao ratsy anao ihany no ho mpanao ratsy.

Fihavaozana faharoa : fomba fiainantsika ny hoe fitia mifamaly mahatsara fihavanana ary mahafohifohy fisainana ny tsy mahavaly fitia. Ny tena fitiavana sy fihavanana, hoy ny Tompo, dia fanaovana dingana voalohany ; ny tena fitiavana dia maimaim-poana, tsy miankina amin’izay ataon’ny olona aminao.

Ny fahatelo dia ny fo mangoraka : mahatsiaro maharary amin’izay manjo ny hafa, manao voin-kava-mahatratra, mamela heloka. Tsy vita mora izany. Mety hahatsiaro ho marary isika eo am-piatrehana izany fa hananantsika fiadanam-po izany. Mampanantena valisoa any an-danitra kosa i Jesoa.

Ny tanjona dia hoe resena amin’ny soa ny ratsy (Rom 12, 21), tsy mijanona amin’izay lalàna voajanahary na kolontsaim-piarahamonina sy maha olombelona. Aoka tsy ho sasatry ny manao soa. Tia tsy manavaka, tia maimaim-poana, tia mialoha ; izany no famonjena. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...