Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe: "Inona àry no hataonay?" Dia namaly izy ka nanao hoe: "Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa". Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: "Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?" Dia hoy izy taminy: "Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo". Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: "Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?" Dia hoy ny navaliny azy: "Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo". Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe: "Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty". Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.
Talata 7 desambra 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 12-14
♦ Niakatra fitsarana androany teny Anosy ny raharaha Apollo 21... ♦ Nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka indray ny fotoam-pitsarana an'i Mbola Rajaonah, izay saika notanterahana androany teny amin'ny PAC... ♦ Nampahafantarina androany teny amin'ny Foiben'ny CENI teny Alarobia, ireo mpikambana vaovao ao ami'ny Birao maharitry ny CENI...
♦ Anentanan'ny Papa Ray masina ao anatin'ny tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany amin'ity volana desambra ity ny hivavaka manokana ho an'ireo katesista... ♦ Hofaranana amin'ny alarobia 8 desambra 2021 izao ny Taonan'i Masindahy Josefa. Ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo dia ny 12 desambra 2021 no hanamarihana izany... ♦ Nanao antso avo mba hisian'ny fanampiana ireo mpifindra monina ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana Apôstôlika nataony tany Lesbos, Grèce, omaly...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco