♦ Hihamaina amin'izay ny andro manomboka rahampitso amin'ireo toerana nisian'ny oram-be, raha ny nambaran'ny Météo. Hihena tsikelikely ihany koa ny rotsak'orana na dia mbola hanorana àry ny faritra maro anio... ♦ Niala tsiny tamin'ireo mpandraharaha tsy miankina ny Foibe Fitantanana ny Hetra, manoloana ilay taratasy milaza ny fanitsiana ara-ketra nivoaka. Diso, hoy ny Tale Jeneraly, ny filazana fa hamenoana ny banga amin'ny volam-panjakana ilay filazana fanitsiana ara-ketra ankehitriny...

Mitombo ny vita batemy noho izany ilaina hatrany ny fitombon'ny isan'ny pretra. Miankina amin'ny tombana ataon'ny mpanabe rehefa vita ny adina samihafa, misy fandanjalanjana mifandraika amin'ireo fepetra takiana. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Hiverina anio alina ny fifamoivoizana any amin'ny lalam-pirenena faharoa... ♦ Miantso ny rehetra mba ho tony manoloana ny famatsiana solika ny Praminisitra Ntsay Christian... ♦ Miisa 36.657 ireo olona voatery nafindra toerana vokatry ny andro ratsy, ary tafakatra 35 ireo manty, raha ny tatitra navoakan'ny BNGRC farany... ♦ Andrasana amin'ity herinandro ity izay ho Filoham-pirenena vaovao any Italie...

♦ Tokony ho hita taratra amin'ny fiainan'ny mpamaky sy mpitory teny ny tenin'Andriamanitra, hoy i Mgr Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Katedraly Andohalo, ny alahady 23 janoary 2022 ny fanamarihana ny Herinandro hivavahana ho an'ny Firaisan'ny Kristianina... ♦ Mifantoka amin'ny fahaizana mifampihaino ny hafatra ho an'ny Andro eran-tany faha-56 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...