Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nino Azy, nanao hoe: "Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa, sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo." Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy: "Taranak’i Abrahama izahay, ary tsy mba nanompo olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: Ho olona afaka ianareo?" Fa hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia mpanompon’ny ota. Ny mpanompo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva. Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy ianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko. Izaho milaza izay hitako eo amin’ny Raiko, ary ianareo kosa manao izay renareo ao amin’ny rainareo." Namaly ireo ka nanao taminy hoe: "I Abrahama no rainay." Fa hoy i Jesoa taminy: "Raha zanak’i Abrahama ianareo dia hanao ny asan’i Abrahama. Nefa mitady hamono Ahy ianareo ankehitriny, dia Izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin’Andriamanitra: tsy asan’i Abrahama izany. Ny asan’ny rainareo no ataonareo!" Dia hoy ireo taminy: "Tsy mba teraka tamin’ny fijangajangana izahay, ka iray ihany no rainay, dia Andriamanitra." Fa hoy kosa i Jesoa tamin’izy ireo: "Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria Andriamanitra no niaviako, ary Izy no nahatongavako atý, fa tsy tonga ho Ahy Aho, fa Izy no naniraka Ahy."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...