Alarobia 6 aprily 2022 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 31-42

Mifono fahamarinana sy manafaka ary mahatonga ho olona afaka ny tenin’i Jesoa ho an’ireo izay mino Azy. Ho olona afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana. Eto anefa dia tsy manaiky ho hahafahana amin’ny tenin’i Jesoa ireto Jody ireto satria ho azy ireo dia ampy ho amin’ny fahafahana ny maha zanak’i Abrahama azy ireo. Tsy hain’izy ireo mantsy fa ny fahafahana tian’i Jesoa ambara dia any fialana amin’ny fahotana. Ny fanarahana ny tenin’i Jesoa tokoa mantsy no manampy hiala amin’ny fahotana ka mahatonga antsika ho olona afaka.

Ny mpanota rehetra araka izany dia andevon’ny fahotana daholo. Noho izany dia ilaina ny mpanafaka, tsy iza izany fa i Jesoa. Ary izy ihany no mitondra antsika ho any amnin’ny famonjena. Eto dia tsy nandà mihitsy i Jesoa ny amin’ny maha Zanak’i Abrahama an’ireto Jody ireto fa nahitsiny tamin’izy ireo fa tsy ampy izany raha te ho olona afaka. Mila arahina araka izany ny finoana izay nananan’i Abrahama. Ho an’i Jesoa, ny tsy finoan’izy ireo azy dia midika ho tsy fananan’izy ireo ny finoana izay tao amin’i Abrahama.

Ny finoana an’i Kristy no maha olona afaka antsika kristianina. Ary izay ihany koa no hironantsika amin’ny fahamarinana. Tompo ô, afaho izahay amin’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy mangeja anay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...