♦ Misokatra ho an'ny fiarabe mpitatitra entana ny lalam-pirenena faharoa. Vita omaly ny tetezam-by ao Ambarolava-Moramanga, nijery ny asa ny filohan'ny Repoblika... ♦ Tafiakatra 41 ny isan'ny maty teto amintsika nandritra ny fandalovan'ny andro ratsy farany teo. Mbola mitoetra ho an'ny lemak'Antananarivo ny filazana loza mitatao... ♦ Natsahatry ny zandary ny fampiofanana ao amin'ny sekoly ambonin'ny Zandarimaria ao Moramanga, nalefa nanampy ny vahoaka ny mpianatra...

Miankina amin'Andriamanitra miantso "ny antson'Andriamanitra". Mifampiakina amin'ny fifandraisan'ilay voaantso sy Andriamanitra ; mila olona hanampy izy hamaly ny antso henony. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Nitombo ho maherin'ny arivo sy iray hetsy ireo olona tra-boina, vokatry ny faharatsian'ny toetr'andro teto amintsika farany teo. Nijanona ho 39 kosa hatramin'izao ny isan'ireo namoy ny ainy, araka ny tarehimarika farany navoakan'ny BNGRC... ♦ Efa azon'ireo fiarabe mpitondra entana aleha ny lalam-pirenena faharoa alohan'ny hidirana an'i Moramanga nanomboka androany. Nijery ny fahavitan'ny asa tany an-toerana ny Filoham-pirenena...

♦ Tafakatra 39 ny isan'ireo olona namoy ny ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny faharatsian'ny toetrandro, raha ny tarehimarika farany voaray omaly hariva... ♦ Afaka manome fanampiana ny tra-boina ary entanina hanao izany ireo mpitantana orinasa na indostria eto Madagasikara. Eny amin'ny MICC no handraisana izany.... ♦ Hizara pack, misy vatsy, eny amin'ireo faritra iva, ny fikambanana fitia, manomboka anio alarobia, ankoatra ny fizarana sakafo mafana andro aman'alina...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...