♦ Tsy mbola izao no hiakaran'ny vidin-tsolika eto Madagasika na dia tsy maintsy hiakatra aza izany, fa mbola aorian'ny fifanarahana ataon'ny mpitondra fanjakana sy ny ireo mpandraharaha amin'ny solika. Ampy tsara ihany koa ny tahirn'ireo karazan-tsolika ampiasaina eto amintsika... ♦ Efa maherin'ny 1.000 ireo olona nisoratra anarana maniry ny hahazo ny trano mora eny Imerintsiatosika, raha toa ka 320 no isan'ny trano vita eny an-toerana... ♦ Nifarana omaly ny fivorian'ny parlemantera, tsy misy krizy politika eto Madagasikara ka tsy misy antony hanaovana ny fiaraha-mitantana na ny fikaonandoham-pirenena hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena ; niantso ny Malagasy hiray hina sy tsy hifankahala ny filohan'ny antenimieran-doholona...
02 jolay — I Martinien sy i Procès dia martiry romanina tamin’ny taonjato voalohany. Nalevina tao amin’ny fasana Damase tao amin’ny via Aurelia izy ireo. Araka ny lovan-tsofina dia izy ireo no mpiandry fonja nampijaly an'i Pierre sy i Paul tao am-ponja tao Tullianum.
Ny anjara voatokana ho an'ny daholobe sy ny tsirairay ny amin'ny haren'ny tany dia hitady ny soa sy ny tsara. Efa hatramin'ny namoronana izao tontolo izao no nomena andraikitra ny olombelona mba hanankinana ny fitantanana ny tany sy ny hareny. Araka izay voalaza dia mba hanjaka ao amin'ny tany amin'ny alalan'ny vokatra ao aminy. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 2 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 14-17
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco