♦ Tsy mbola izao no hiakaran'ny vidin-tsolika eto Madagasika na dia tsy maintsy hiakatra aza izany, fa mbola aorian'ny fifanarahana ataon'ny mpitondra fanjakana sy ny ireo mpandraharaha amin'ny solika. Ampy tsara ihany koa ny tahirn'ireo karazan-tsolika ampiasaina eto amintsika... ♦ Efa maherin'ny 1.000 ireo olona nisoratra anarana maniry ny hahazo ny trano mora eny Imerintsiatosika, raha toa ka 320 no isan'ny trano vita eny an-toerana... ♦ Nifarana omaly ny fivorian'ny parlemantera, tsy misy krizy politika eto Madagasikara ka tsy misy antony hanaovana ny fiaraha-mitantana na ny fikaonandoham-pirenena hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena ; niantso ny Malagasy hiray hina sy tsy hifankahala ny filohan'ny antenimieran-doholona...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...